ActualitésTsidika

Tokony ao anaty Mangarahara no hanaovana ny fifaninanana hidirana ho mpitsara

Ny 24 Aogositra 2021 izao no hanomboka ny adina voalohany amin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna.

Misy ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina nozaraina mialoha ary afaka manantona ny toerana ireo izay mbola tsy nahazo izany hatramin’ny Alatsinainy. « Azon’ireo mpiadina tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana atao ny maka izany eny amin’ny biraon’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) eny Tsaralalana ny sabotsy hatramin’ny alatsinainy ho avy izao » hoy ny Tale jeneralin’ny ENMG Ramarolahihaingonirainy Anthony.

« Izahay avy aty amin’ny faritra dia tonga dia manantona avy hatrany ny toerana hanaovana ny fanadinana ka any vao hamarinina raha ny toromarika voaray” hoy i Emile, mpianatra ho mpitsara any Mahajanga. « Ny fanadinana tahaka izao no tena tokony hisian’ny mangarahara ka izay mahay ihany no tokony ho tafiditra fa tsy izay manam-bola akory » hoy i Solange, tanora hifaninana. Tsy tokony hahitana kolikoly mihitsy ny fifaninana satria raha foana io dia izay mahay sy mendrka ihany no hahazo ny toerana ka handroso tokoa ny firenena noho ny fahaizan’izy ireo.

Antenaina ny hizoran’izany an-tsakany sy an-davany ao anaty ny mangarahara hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire