SocialTsidika

Jirama Mananara Avaratra: Hahazo sazy hentitra ireo mpangalatra lasantsy miisa 14

Hahazo sazy hentitra ireo mpangalatra lasantsy miisa 14. Manohy hatrny asa fanaraha-maso ny fahaverezan’ny lasantsy tsy voamarina ny Jirama, izany fahaverezana izany no antony mahatonga ny vidin’ny fitrandrahana miakatra hoan’ity orinasam-panjakana ity.

Raha ny voalazan’ny Jirama olona 14 no voatazona am-ponja amin’ilay raharaha fangalarana lasantsy tao amin’ny foiben’izy ireo ao Mananara avaratra ny alin’ny Sabotsy 07 Aogositra 2021. Anisan’ireo olona voatazona ireo ny mpiasan’ny Jirama miisa 2, mpiasan’ny HFF miisa 4, mpiambina 2, mpandray ny entana halatra 4, mpamily tuc-tuc 1 ary mpiambina ny pylona Airtel iray.

Tsy mamela mora foana izao raharaha izao ny Jirama, na ho an’ireo mpiasa anatiny na ho an’ireo olona ivelany ny orinasa niray tetika tamin’izao halatra izao. « Hahazo sazy hentitra ireto mpanao ratsy mangalatra ny firenena ireto. Ary hiezaka mafy ny Jirama hanafoana tanteraka ny halatra toy izao » hoy ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Vonjy Andriamanga. Nanentana ihany koa ity farany ny amin’ny hisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo hosoka sy halatra mitranga mba hampihenana ny fatiantoka hoan’ny orinasa Jirama.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire