Misy mpangalatra mitety fiangonana : Nitaraina i Faniry, tovovavy iray very kitapo
Mahantra ve ny olona ? Tsy misy asa ka miditra amin’ny asa fangalarana ? Tovovavy iray no nitaraina fa very kitapo tao amin’ny fiangonana iray. Raha ny filazany, rehefa tapitra ny fotoam-pivavahana dia niresaka tamin’ny mpitandrina ny tenany ary napetrany teo amin’ny seza teo aloha ny kitapony.
Resaka dimy minitra raha be indrindra ka vao nitodika izy, efa tsy teo intsony ilay kitapo. Niaraka nitady ny mpiangona sisa tavela tao am-piangonana fa tsy hita intsony. Herinandro taty aoriana no nisy nanatitra tao an-tranony ilay kitapo. Ary nilaza ity farany fa nisy nangalatra ny kitapony ary nosoloiny ilay kitapon’i Faniry. Tavela tao ny karapanondrony ka izao nahitan’ilay olona ny tranony izao. Marihana fa fiangonana samihafa izao nahitana io kitapo very io izao.
« Mila mitandrina fa tsy kely lalana ny ratsy, efa tsy manambola ny olona ka lasa manaonao foana. Tsy afaka hitsara isika fa aleo ny tsirairay no mitandrina » hoy ny mpitandrina tao amin’ilay toeram-pivavahana nahitana ilay kitapo. Raha ny filazan’i Ravo, izay very kosa dia « efa tena mpitety fiangonana mihitsy izany ilay olona matoa any amin’ny fiangonana hafa no very ny entana dia hita any amin’ny fiangonana hafa indray. Mila mandray fapaha-kevitra ny tompon’andraikitra ».
Efa mandroso lalina mankany amin’ny fahantrana i Madagasikara. Efa hatrany amin’ny trano fiangonana no anaovana ny asa ratsy. Ilaina ny fanamafisana ny « sécurité » sy ny fanentanana ny mpino hitandrina eny anivon’ny toeram-pivavahana arak’izany satria tsy kely lalana ny mpangalatra. Aleo mitandrina hatrany n’aizan’aiza toerana aleha. Tokony miroso amin’ny famoronan-kasa ho an’ny daholobe ny fitondram-panjakana fa matoa ny olona efa sahy manao ratsy any amin’ny toerana tsy tokony anaovana izany efa may ny hendi-boanjony.
Tsangy Randriamampianina
