ConseilTsidika

Torohevitra: Fanalavana ny volo amin’ny fomba natoraly

Maro ireo vehivavy no tia mikarakara volo, ary maniry ny hanalava volo haingana. Misy ireo akora ampiasaina raha te ahazo izany ary mila mahavatra mikarakara sy mitsabo ny volo ho salama lalan-dava. Rehefa salama ny volo, izany hoe tsy miongotra na vakivaky ny tahony dia azo lazaina ho salama.

Ny vahona, ny atody akoho ary no tantely dia akora tena ilain’ny volo noho ireo singa maro ao anatiny izay manampy ireo sela anatin’ny loha ahasalama sy hamapniry ny volo. Ahoana ny fomba fikarakarana azy? Alaina ny vahona, ilay dintiny iny no ilaina, ary atao anaty “mixeur” miaraka amin’ny atody akoho roa sy tantely roa sotro fihinanana. Potserina ao ireo ary avela ifangaro tsara. Iny fangaro iny aveo no atao masque amin’ny volo efa madio. Hosorana ary arahana otra ny hodi-doha rehefa manao azy. Rehefa vita izay dia saromana na fonosina lamba ny loha, mandritra ny 30minitra na mihoatra izay vao kobanina amin’ny rano matimaty. Tsara ihany koa anefa raha atao mialohan’ny atory ka lomana mandritra ny alina ilay volo. Averina in-telo isan-kerinandro moa ity fikarakarana ity.

Laisser un commentaire