ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nanao tatitry ny tomban’ezaka sy ny asa vita ny taona 2020-2020 ny kaominina

Tamin’ny alahady 12 febroary teo no nanatanetrahan’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny tatitry ny tomban’ezaka sy ny asa vita nandritra ny taona 2020 ka hatramin’ny taona 2022. Voaresaka nandritra izany avokoa ireo mahakasika ny asa sosialy sy ny ara-ekonomika ary ireo fanavaozana foto-drafitr’asa tao an-toerana.

“Maro ireo zava-bita nandritra ny telo taona niasana teto amin’ny kaominina. Raha ampitahana amin’ireo zavatra nisy tato amin’ny kaominina talohan’ny nandraisana ny fitantanana ny kaominina dia azo lazaina fa nisy ary hita mivaingana ireo fanatsarana sy asa vita nandritra ny niasana teto na dia teo aza ireo olana nosedraina toa ny nisian’ny valan’aretina sy ny loza voajanahary isan-karazany” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Raha atao amin’ny ankapobeny, maro ireo zavatra natao teto anivon’ny kaominina. ao anatin’izany ny resaka fako, ny fanaboaran-dalana sy fanatsarana ny lalana, ny fananganana foto-drafitr’asa, ny fanavaozana taratasim-panjakana, ny fanatsarana sy fanohanana ny lafin’ny fampianarana sy ireo rafitra isan’ambaratonga samihafa” hoy hatrany ny fanazavana.

Maro ireo ezaka nentin’ny avy ao amin’ny fitantanana ny kaominina Ambohimangakely, voalaza tamin’ny antsipirihany nandritra ity tatitra ny tomban’ezaka sy ny asa vita tao an-toerana ity. Mbola mitohy hatrany ny fanantanterahana izany ezaka izany ho fampandroasana ny kaominina, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire