ActualitésTsidika

Anosiala : Ady mivady niafara tamin’ny doro trano

Nisehoana doro trano teny Anosiala ny 27 janoary lasa teo. Mpivady mpanofa trano no nifamaly. Niafara hatramin’ny fandorana ny trano ny ady.

« Tsy nisy azo noraisina intsony ny trano sy ny entana rehetra tao anatiny. Ny ankizy aza saika tsy tafavoaka tao an-trano. Sarotra ny namono ny afo » hoy i Patrick, mponina ao Anosiala. « Mpanofa trano izy mivady ireto. Tsy azy akory ny trano. Noho ny fihetseham-po diso tafahoatra dia may ny tranon’olona » hoy i Jacqueline, mpiray vodirindrina. « Ny ankizy no mampalahelo rehefa sendrana mpivady tsy mahay mifanaraka toy izao. Ny tranon’olona ihany koa rava, ny entana simba, ny fonja no mitatao ambony loha. Ho aiza ny ankizy ? Hanao ahoana ny hoaviny ? » hoy i Jerry, mpahay fiarahamonina. Tsara raha voahefy foana ny fihetseham-po. Fihetsika kely fotsiny mantsy dia mety handrava zavatra maro be.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire