Ankadikely Ilafy : Esorina ny lobolobo fiafenan’ny jiolahy
Noesorina avokoa ireo lobolobo ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Ireny lobolobo ireny mantsy no zary ataon’ireo olon-dratsy fierena hanomanany ny teti-dratsiny.
« Matetika mihitsy ny tanga tsy fandriam-pahalemana eto Ankadikely Ilafy. Ny lobolobo tahaka itony no fisitrihany hanomanany ny hevi-dratsiny » hoy i Jules, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Tena mitsinjo ny mponina ety amin’ny manodidina mihitsy ny fanesorana ireto lobolobo ireto. Ao no miafina ny jiolahy ka sarotra hita. Ao ny tanora zatovo no mivondrona izay tsy fantatra intsony na efa mifoka zava-mahadomelina aza » hoy ireo mponina manodidina.
« Isaorana ny Polisy kaominaly sy ireo solontena avy amin’ny Fokontany Ankadikely nanome tanana tamin’izao hetsika izao. Mbola mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tanàna. Miezaka tsikelikely makany ami’nny fandrosoana isika » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. « Miara-miezaka ho amin’ny fampandrosoana ao anaty fahasamihafàna », izay tokoa no tarigetran’ny kaominina.
Tsy vitan’olom-bitsy tokoa ny fandrosoana. Ny rehetra no tokony hiara-hisalahy amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
