Avaradrano : Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ho an’ny fampandrosoana
Ao anatin’ny akon’ny dian’ireo delegasiona avy eto amin’ny distrika Avaradrano, mandritra ny dia izay ataon’izy ireo any ivelany amin’izao fotoana izao, hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra sy kaominina izay mandray ireo delegasiona any an-toerana ho an’ny fampandrosoana, raha ny voalaza.
« Famolavolana fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny distrika Avaradrano sy ireo faritra ary kaominina vitsivitsy ao Frantsa anaty tetik’asa fampandrosoana hiarahana, ny fanitarana ny fisitrahana rano fisotro madio » hoy ny avy amin’ny FIBA.
« Teo ihany koa ny fifanakalozana ny samy tanora eo amin’ny firenena roa tonta, ary ny vinavina lavitra amin’ny fampirahavaviana ireo kaominina eto amin’ny distrika Avaradrano sy ireo kaominina ao amin’ny faritra atsinana’ny Frantsa, ireo no azo hamintinana ny dian’ireo delegasiona » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsiahivina fa solo-tenam-panjakana maro sy olom-boafidy teto amin’ny distrika Avaradrano no mandrafitra ireo delegasiona, mamita ny dia any France ireto. Ankoatra izao fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka any an-toerana izao moa dia nisy ihany koa ny fanohanana sy fanasana avy amin’ny malagasy mpiray tanindrazana izay misahana ny zokiolona any an-toerana.
Manitra R.
