Ny fady Malagasy : Fanao mbola hajaina
Ny fanajàna ny hery sy ny hasin’ny razana teo amin’ny Malagasy no niteraka fifehezan-tena sy fitandremana ny « fady ». Nidika ho fanamelohan-tena manoloana ny razana izany. Samy manana ny azy anefa io fady io. Arakaraky ny fianakaviana, ny karazany (lahy na vavy), ny fiaraha-monina misy azy, ny toerana misy sy ny fotoana. Taty aoriana dia nofaritana ho zavatra raràna tsy azo tanterahina araka ny fepetra napetraky ny fomba amam-panao ny fady, tsy voatery mifandray amin’ny razana.
Anisan’ny karazam-pady ny tsy fihinana sakafo (kisoa, amalona, tongolo…), tsy mahazo miasa na mamoaka vola andro amin’ny andro izay, ny toerana na rano fady itondrana zavatra voafaritra (sira, akanjo mena…), ny toerana tsy azo hitenenana an’izao na izao.
Ny fandikàna ny fady dia voalaza fa miteraka loza ho an’izay nandika azy, na ho an’ny rehetra mihitsy aza.
Misy koa anefa ny fady manokana ho an’ireo izay mangataka manokana amin’ny razambe, toy an’ireo mpimasy na ombiasy, na mpitàna ody gasy, izay mifandray sy miresaka mivantana aminy. Manao fianianana mihitsy izy ireo ary fatra-panaja ny fady izay apetraky ny razana raha tsy izany mahita loza.
Ny nanota fady tsy fidiny, izany hoe tsy nahafantatra ilay fady, dia azo leferina ihany, na dia misy aza ny sasany izay tsy maintsy mitaky fombafomba ho fanafoanana ny ozona.
Toky Randriamanalison
