ActualitésTsidika

Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo : Nihaiky ny tsy fahatomombanan’ny famokarana jiro ny minisitra

Taorian’ny fahapahan’jiro nivantana nandritra ny lahatenin’ny filoha dia nihaiky ny Minisitry ny Angovo Andry Ramaroson fa misy fahatarana ny fahatongavan’ny solika amin’ireo toby famokarana jiro ka mahatonga ny fahatapahan-jiro manerana any Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nanamafy izy fa tsy mbola voaloa ny fakitioran’ireo orinasa mpamatsy solika noho ny habetsaky ny halatra. Tsy maintsy hisy noho izany ny fanaovana fanadihadiana (audit) hoy ny minisitra.

Nanazava kosa ny mpanao gazety, Fernand Cello fa tsy faly io mpamatsy io ary io tsy fahafaliana io no miteraka olana. Nanao « économie de carburant » 175 000 tapitsira Ariary hoy izy ny Jirama ny taona 2020 teo, izay tsy « économie » vola niditra tao amin’ny kitapom-bolan’ny jirama fa vola tsy nolaniana. Mazava ho azy hoy io mpanazo gazety io raha ireo olona ireo no tsy faly ka manao izany safidiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire