ActualitésTsidika

Station de pesage : Tsy mitsahatra mitaky ny karamany ireo mpiasa

Efa am-bolana maromaro ireo mpiasan’ny « station de pesage » manerana an’i Madagasikara no nanao fitokonana nitaky ny karamany. Raha tsiahivina dia efa karama 5 volana no tsy azon’izy ireo. Nanampy trotraka izany ny fikasan’ireo tompon’andraikitra hamarotra ny « station » amin’ny orinasa tsy miankina (mise en concession).

Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny hitokona indray ireo mpiasa nanomboka omaly. Haharitra 72 ora izany raha ny voalazan’ny solotenan’izy ireo. Nanamafy io mpitondra teny io fa hiamafy ny fitokonan’izy ireo raha toa ka tsy mbola misy ny fanamahan-kevitra raisina.

Efa maharitra loatra ny raharaha, raha ny voalazan’ireo mpiasa, ka niantso ny tompon’andraikitra ireto farany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire