ActualitésTsidika

Mihamy Mada Fashion : Sehatra iray manome vahana ny zavakanto

Hetsika iray hanomezan-danja ny haihaingo sy ny famoronana eto Madagasikara ny « Mihamy Mada Fashion ». Manomboka androany ao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina izany, hitohy eo amin’ny Anjely Mainty Anosy ary ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny andiany fahatelo amin’izay. Tsy hifarana ny hetsika raha tsy ny alahady 12 jona.

« Azo atao tsara ny mandraharaha sy mivelona eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina » hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy. Anisan’ny tiana asongadina amin’ny hetsika izany hoy izy ary tanjona ihany koa ny fanampiana ireo tanora misehatra eo amin’ny sehatry ny famoronana sy ny lamaody (stylisme et création).

Hisy famelabelarana mandritra ny hetsika, entina hizaran’ireo mpisehatra sy manam-pahalalana ny traikefany momba ny sehatra, hisy ihany koa ny fampirantiana sy ny tranoheva samifaha hamarotana ireo vokatra ary ny filatroana. Marihina fa maimaipoana ny fidirana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire