Tontolo iainana: Fanararaotra ho an’ny Madagasikara ny fananana ala honko betsaka ka mila harovana
Mitondra voka-tsoa betsaka ho an’ny faritra rehetra misy azy ary indrindra ho an’ny Madagasikara manontolo ny fananana ala honko betsaka. Maro ny faritra ahitana izany ala honko izany izay hitoeran’ireo hazan-drano hahafahana mampidi-bola betsaka ho an’ireo mpisehatra. Ahitana izany ao amin’ny faritra Diana, Sava, Boeny, Melaky, Menabe, Sofia, ary Atsimo-Andrefana. koa.
“Ny ala honko no fonenan’ny karazam-biby anaty rano toy ny makamba sy foza. Ny “crustacés” no tena mialoka ao anaty ala honko. Mamokatra hazan-drano iray taonina amin’ny velaran-tany iray hektara ao anatin’ny herintaona ny ala honko. Ary raha tsara ny kalitaon’ny honko dia tombanana ho 2,5 taonina isan-taona ny famokarana foza amin’ny velaran-tany 1 km². Fidiram-bola ho an’ny mponina manodidina izany ary anisan’ny kalitao tsara no vokariny ka afaka haondrana ihany koa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana.
Mila arovana araka izany ny ala honko rehetra manerana ny Nosy. Efa misy isan-taona ny fotoana fambolena ny ala honko ka tokony handray anjara amin’izany avokoa ny tsirairay indrindra ireo any an-toerana. Na ireo izay mbola mieritreritrta ny hisehatra amin’izany aza dia manana anjara andraikitrta amin’izany. “Mahaliana izany zava-baovao izany ary azo trandrahana tsara” hoy i Nadia, mpandraharaha.
Ankoatra ny maha-loharanom-pampandrosoana ny toekarena amin’ny vondron’olona ifotony azy io dia sady miaro ny morontsiraka amin’ny onja sy ny tondra-drano ihany koa, manadio rivotra sy rano amin’ny fanivanana gazy karbonika. Ny ala honko koa dia akany ho an’ny karazam-borona sy ramanavy sasany. Toerana fanaovana zezika sy toeram-ponenan’ny karazana an-dranomasina (foza, makamba, trondro).
Miora Raharisolo
