Fandriam-pahalemana: Saron’ny polisy ny tambazotra iray mpamono mpamily sy mpangalatra fiara eto Antananarivo
Dépêche 28 mars, 12h, Tambazotra iray efa maty paika sy tsara lamina ity saron’ny Polisy ity satria dia efa samy manana ny anjara asany ireo mpivondrona. Miisa 10 izy ireo izay ahitana lehilahy amim-behivavy izay mitsinjara toy izao, vehivavy 5 mpanakana ny fiara, lehilahy miisa 2 mamono ny mpamily ary lehilahy 3 hafa mpivarotra ny kojakoja azo avy amin’ilay fiara. Tsy hamelan’izy ireo moa raha tsy maty ilay mpamily ka entiny mitsoaka avy eo ny fiara. Araka izany dia naiditra am-ponja avy hatrany izy ireo miandry ny fotoam-pitsarana.
