Ho atao any Sambava ny Synoda lehibe faha 19 ho an’ny FJKM
Hotanterahina any Sambava ny 11 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao ny Synoda lehibe faha 19 an’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FJKM, hifidianana izay ho filoha handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi sy ny birao maharitra hitondra ny fiangonana mandritra ny 4 taona manaraka. Tsiahivina fa isan’ny mivondrona ao anatin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) ny FJKM. « Ny Synoda Lehibe no Ambaratongan-drafitra ambony indrindra ary ny Fivoriany no Ambaratongam-pitondrana ambony indrindra ato amin’ny FJKM »hoy ny tompon’andraikitra. Mba ho tena ny Voninahitr’Andriamanitra tokoa no hiseho mandritra ny fivoriana dia mangataka amintsika rehetra Mpino tsy ankanavaka eto Madagasikara samy hitondra am-bavaka ny fahatanterahan’izany tsy misy tomika hoy i Falihery isan’ny mpino FJKM. Marihana fa ny fivorian’ny Synoda lehibe dia fivorian’ny solontenan’ny Synodamparitany rehetra sy ny birao mpiandraikitra foibe, ny sekretera jeneraly sy ny tonian’ny Departemanta, ny solontenan’nyy sampana, sampanasa ary ireo vahiny nasaina. Zava-dehibe tokoa ny fifandimbiasan’andraikitra indrindra manoloana ny fitantanana vahoaka maro tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
