ActualitésTsidika

Niakatra ny tahan’ny fandroahana mpiasa tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao

Nahitana fiakarana ny tahan’ny fandroahan ampiasa noho ny krizy ara-pahasalamana nisy teto amin’ny firenena raha ny voka-panadihadihana nataon’ny Institut National de la Statistique na ny INSTAT. Mpiasa raikitra tamin’ny 1/6 no voatery norohana noho ny fisian’ny aretina covid-19 izay nampitontongana orinasa maro teto Madagasikara. « 2000 ny mpiasa voaroaka tao anatin’ny 3 volana, maro ny taratasy fandroahana voarahin’ny Cnaps, manodidina ny 27% ny olona no very asa ka lasa voatery manao asa madinika toy ny varotra sakafo, misy aza ireo mivarotra ny entana ao an-trano mba hividianana sakafo » hoy ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra. Sehatra maro no vokasiky ny aretina ary isan’izany ny fizahan-tany sy ny fitaterana raha mpiasa 20% teo amin’ny fitaterana no tsy maintsy niala ary 25% kosa ny tamin’ny fizahan-tany hoy ny avy ao amin’ny Instat. Amin’ny ankapobeny kosa dia 56% ny vola miditra isam-bolan’ny orinasa hafa no very nanomboka ny May 2020 hoy ireo manam-pahaizana ara-toe-karena. Lasa resaka fotsiny ilay drafitra fanarenana ny toe-karena fa tsy misy mandeha amin’ny tokony ho izy akory hoy ireo mpanara-baovao sasany. Inona no vahaolana manoloana ny tsy fisian’ny asa vokatry ny valan’aretina? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire