ActualitésPolitiqueTatitra

Hahazo tombontsoa indray amin’ny tamberim-bidy vokatry ny fitrandrahana ataon’ny Ambatovy ireo kaominina 20 ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana izay iasan’ny tetikasa.

Hahazo tombontsoa indray amin’ny tamberim-bidy vokatry ny fitrandrahana ataon’ny Ambatovy ireo kaominina 20 ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana izay iasan’ny tetikasa.

Tsy nitsahatra ny fandraisan’ity orinasa ity anjara tamin’ny famenoana ny kitapom-bolam-panjakana, ka efa mihoatra ny 100 miliara Ariary ny vola voaangona hatramin’izay.

Nisy ihany koa ny atrikasa notanterahin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina tsirairay tamin’ny herinandro lasa, mba handrindrana tsara ny fitantanana izany vola izany, ka ho tena hahasoa ny mponina eny ifotony, indrindra amin’ny fanohanana sy fanavaozana ny sehatry ny fambolena izay tena ilaina fampiroboroboana.

Laisser un commentaire