Ambohimangakely: Nahazo ny jiro « hazavana ho anao » ny mponina
Notanterahana tamin’ny herinandro teo ny fizarana ny jiro avy amin’ny fitondram-panjakana, ao anatin’ilay tetikasa « hazavana ho anao » tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Maro ireo mponina nisitraka izany.
« Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny fitondram-panjakana no nahazoana izao tetikasa izao. Entina hanampiana ny mponina izany satria amin’izao fotoana mbola maro ireo tokantrano anaty haizina ka hisaona ny filoha nanome izany » hoy ireo tomponandraikitra.
« Zava-dehibe ho anay ny fahazoana jiro izao. Ny andro amin’izao efa maizina ka mba hanazavana ny trano ity jiro ity. Mahavonjy amin’ny fotoan-tsarotra, indrindra amin’ny fahatapahan-jiro matetika amin’izao fotoana » hoy i Régis, zokiolona.
Ho an’ny tao amin’ny kaominina Ambohimangakely dia nisitraka izany avokoa ny mponina rehetra, indrindra ny zokiolona, ireo manana olana ara-batana.
