Etats-unis : Naneho ny heviny tamin’ny fihetsikin’ny vadiny ihany i Jada Pinkett Smith
Tsy nankasitraka ny fihetsika nataon’ny vadiny i Jada Pinkett Smith raha ny fanehoan-kevitra nentiny. Raha tsiahivina dia namelaka an’i Chris Rock i Will Smith nandritra ny « Oscars 2022 » noho ny fanamarihana nataony momba ny volon’ny vadiny.« Naleoko izy tsy niaro ahy » hoy i Jada Pinkett Smith. Nilaza izy fa hiarovana ny voninahiny no nanaovan’i Will Smith iny fihetsiny iny kanefa tsy mila arovana ny tenany. Tsy nanameloka ny fihetsin’ny vadiny izy saingy tsy nankasitraka izany. « Vehivavy matanjaka, mahery saina ary mahavita miaro irery ny tenany i Jada » hoy ny olona akaiky azy.Marihana fa noho ny « alopécie » nahazo azy efa taona maro no nahatonga ny volon’i Jada Pinkett Smith nosolainy ary fantatr’i Chris Rock soa aman-tsara izany.
