Antananarivo : Hisy ny fampianarana fambolena an-drenivohitra
Nitsidika sy nijery ifotony ny fanavaozana ny toerana fampianarana fambolena an-drenivohitra teny Antanimena na ny « champ école » ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tetik’asa iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny FAO ny fambolena an-drenivohitra.
« Tanjona ny hizarana ny fahalalana rehetra ahafahana manatsara sy ny manatanteraka ny zon’ny olona hisakafo. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia mamporisika ny mponina hanao ny famokarana an-tanàn-dehibe » hoy ny Ben’ny tanàna, Andriantsitohaina Naina. « Ireo mponina eto an-dRenivohitra izay tsy manana tany midadasika ahafahana mamboly no tena entanina amin’ity teknika fambolena ity. Ny tsy fiankinan-doha ara-tsakafo intsony no tanjontsika rehetra, iaraha-mahita rahateo ny vidin’ny entana eny an-tsena » hoy ny avy ao amin’ny FAO.
Hisokatra afaka fotoana fohy ho an’ny rehetra ity toerana fampianarana fambolena an-drenivohitra ity rehefa vita tanteraka ny asa fanavaozana. Mety, ary mifanaraka tsara amin’ny hodidina eto an-drenivohitra, izany karazam-pambolena izany.
