Mayotte : Mitohy ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina
Mizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fanitarana ny seranam-piaramanidina Marcel Henry ao Mayotte. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny volana janoary teo ny tetik’asa ary haharitra herintaona. Ny Vondrona Edeis kosa no misahana ny fanavaozana ary tsiahivina fa efa nahatafatsangana ny hotely Ibis ao amin’ny faritry seranana izy ireo.
Velaran-tany 7 800 m² no hanatanterahana ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina izay heverina fa hifamezivezena mpandeha 600 000 isan-taona. Ny 264 m² amin’io toerana io kosa natokana hanorenana toeram-pivarotana vaovao. Toeram-piainana sy tolotra vaovao ho an’ny mponina rehetra ao io seranam-piaramanidina io hoy ny talen’ny Edeis Mayotte, Jonathan Lacombe.
