Congo : Nanokatra fanadihadiana taorian’ny nahafatesan’i Kolélas
Mbola vahotra ny lelan’ireo congolais manoloana ny nahafatesan’i Guy Brice Parfait Kolélas ny andron’ny fifidianana filoham-pirenena ny alahady 21 martsa lasa teo. Etsy ankilan’izay, nanokatra fanadihadiana ny amin’ny antony nahafatesany i Paris amin’izao fotoana. Tsy niverina ao amin’ny repoblikan’i Congo ny vata-mangatsiakan’ity mpanohitra ity. Ahihian’ny fitsarana ao Bobigny France ny mety ho namonoina azy. Voamarina ho nitondra ny valanretina coronavirus i Kolélas raha araka ny fampitam-baovao nomen’ireo mpanam-pahefana congolais. Ny aretina paludisme kosa anefa no nitarainany tamin’ny fotoana naharariany ka nampidirana azy tao amina hopitaly iray tao Brazaville. Nambaran’ny mpitsabo tao fa anahirana ihany ny hamindrana toerana azy noho izy efa tena narary mafy. Na izany aza, mbola nentina tamina fiara-manidim-pitsaborana ho any France ihany izy ny alin’ny alahady ary tao no nahataperan’ny ainy. Namoaka horonan-tsary tao amin’ny tambazotran-tserasera Twitter, nanambara fa miady mafy amin’ny fahafatesana izy ny sabotsy 20 martsa lasa teo. Raha tsiahivina, tafiditra laharana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena i Kolélas 5 taona lasa izao. Tamin’izay no nanapahany hevitra hamoaka mpanohitra voaheloka hisazy 20 taona an-tranomaizina. Andrasana amin’izao fotoana izay ho valim-pifidianana sy izay ho vokatry ny fanadihadiana.
