Tsararay Fiaferana : Tanàna manome vahana ny fanabeazana
Anisan’ireo fokontany ao anatin’ny kaominina Fiaferana, izay mivondrona ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano i Tsararay. Tanàna kely fotsiny izy io fahiny, fa ankehitriny kosa efa lasa fokontany iray.
Raha avy any andrenivohitra no hizotra ho any Tsararay dia avy aty Ankadfikely Ilafy no miditra amin’iny sampanana makany Fiaferana iny. Rehefa tonga eo Ambohitriniandriana dia misy ny sampanana makany Tsararay, misy ny anaran’ny tanàna amin’ny takela-bato eo, ary 900m miala eo.
Raha eo amin’ny lafiny ara-tantara, raha ny filazan’i Jeannot mpahay tantara dia « avy eo amin’ilay vohitra antsoina hoe “Ikolonjy” no niatombohan’ny tanàna. Nisy anefa ny ady teny an-toerana ka niafara tamin’ny fialàn’ny mponina ny tanàna mihitsy izany, ka nifindra teny ambany teny amin’ilay tanàna antsoina hoe “Tsararay” izy ireo. Nisy miaramila mpiatari-tolona iray no nitantana ny tanàna fahiny, ary izay koa no anisan’ny nadrisika ny olona hifindra teo ».
Noho io miaramila io ihany koa nahatonga ny anaran’ny tanàna ho « Tsararay ». Io miaramila io mantsy no razamben’ireto mponina. Rehefa tonga teo an-tanàna ny miaramila iray tamin’izany dia nanontany izy hoe « iza ny anaran’io tanàna io », ary dia tsy nahita havaly ireo mponina ka sady gaga izy no nilaza hoe « tanàna manana Ray aman-dReny be pitari-tafika ve ianareo dia tsy mahita anaran-tanàna ? » ka teo no teraka ilay anarana hoe « Tsararay ».
Tanàna tsy de misy he vakoka be mampiavaka azy akory i Tsarara,fa ny vavahady miditra ny tanàna kosa no mbola ao hatreto. Ireo fasana efa taloha be ihany koa dia mbola tazana ao an-toerana ao mandrak’ankehitriny. Ny tanàna no mivelatra be mihitsy. Toerana feno tamboho gasin’ny ntaolo izy io ary tena hila hisy isan’ny vohitra tsirairay mihitsy.
Mponina mivelona amin’ny fambolena ny 80% amin’ny olona ao an-tanàna, ary ny akoho amam-borona no tena be mpiompy. Ny vary, ny mangahazo ary ny katsaka no voly fambolin’ny olona. Rehefa andro ririnina kosa dia ny tsaramaso sy « petits pois » no tena be mpamboly. Misy ihany koa anefa ireo olona misehatra amin’ny resaka jono sy fivarotàna trondro.
Tanàna mahate-hitsidika ary tena manana ny mahakanto azy raha i Tsararay. Tsy dia lavitra loatra ny renivohitra rahateo koa izy. Ny tena mampiavaka ity tanàna kely ity koa dia ny fahaizan’ny mponina ao an-toerana mandray mpivahiny.
Azo atao ny mifampiraharaha amin’ny olona ao, ary maro koa ny olona any an-toerana no mampindrana tanim-bary sy voly. Toerana efa misy rano sy jiro raha ny ao Fiaferana, ary tongan’ny zotram-pitaterana ihany koa. Ny kaominina dia anisan’ny manampy ny EPP mba hiitatra, sy mba tsy hijalian’ny ankizy amin’ny fianarana. Tanàna mbola ao anaty natiora maintso izy, ary mahatamana tsara.
