SocialTsidika

Adidintsika rehetra ny miaro ny tontolo iainana

Efa an-dalam-pahapotehana ny tontolo iainana, anjarantsika no manarina izany. Efa iaraha-mahita ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny tsy fisian’ny rotsak’orana, ny hafanana mandoro, ny hatsiaka mamanala. Ankehitriny mbola nosy mena i Madagasikara, mbola anjakan’ny afo sy ny setroka ny voaary. Manitsaka ny volana Aprily isika izao, nahitana doro tanety ny Alatsinainy 12 Aprily teo tany Ankazobe. Tsy fahita hatramin’izay mihitsy izany hoe volana Avrily hitrangana doro ala sy doro tanety izany. Fa inona ity nahazo an-Dramalagasy ? Tsy ampy ve izao hai-tany tsy mampisy ny vokatra izao ? Tsy ampy ve ny fanentanana etsy sy eroa ireny ka na olon-tsotra aza manentana ny mba hiarovana ny tontolo iainana ? Samy izaka ny vokany anie e, fa saingy ao ny tsy meloka kanefa iara-hizaka ny fahasimbana eto. Efa famonoana an-kolaka ny taranaka ho avy izany, inona intsony moa ny andraisana azy ireo raha ny tontolo iainany aza simba ? Fotoana lavalava ihany vao maty ny afo. Somary niady irery ihany koa ny ekipan’ny Tontolo Iainana raha namono afo. Mbola misy foana ny mieritreritra fa asan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana irery ny famonoana afo. Adidy iombonana ny fiarovana ny Taninjanaka tsy ho taningazana. Adidy iombonana ny fiarovana ny ezaka rehetra nataontsika tamin’ny fambolenkazo. Adidy iombonana ny fiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Adidy iombonana ny fiarovana ny ala sy ny loharanonkarena voajanahary mampiavaka antsika. Adidin’ny olom-pirenena rehetra izany, Tontolo iainana dia fiainana, koa arovy sy tandrovy ny tontolo iainana satria aina.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire