Togo : Mihidy tanteraka ny firenena.
Efa nanomboka ny Martsa 2020 no nakatona ny sisin-tanin’I Togo ho fisorohana ny fihanakin’ny valan’aretina COVID-19. Tsy nahitana mpivezivezy firy intsony teny an-tsenan’i Lomé ao Togo, hany miteraka olana amin’ireo mpivarotra satria izy ireo tsy maintsy mihinana. Tsy maintsy mirona amin’ilay “vente en ligne” ny mpivarotra ary ireo Fiara be mpitatitra entana izay hany sisa afaka mivoaka an’i Togo no mitatitra ny entana any amin’ny mpanjifa.
