SocialTsidika

Miarinarivo: Zandary kilasy faharoa iray no maty notifirin’ny dahalo 

Nisehoana halatr’omby tao amin’ny Kaominina Andolofotsy Miarinarivo. Zandary roalahy no nanara-dia ireto omby very taorian’ny fampandrenesana nataon’ny tompon’omby.

« Niainga avy hatrany ny zandary roa lahy nanara-dia tamin’ny moto. Nanaraka taty aoriana ny filohan’ny mpanolontsain’ny Kaominina. Nandalo tetezana rehefa eo Ambohitrinirainizaza ary tsy maintsy natosika ny moto. Teo no nanararaotan’ireo dahalo nitifitra ireto zandary » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Andolofotsy. « Voan’ny bala ny zandary iray, Rabenaivo Onimahery Parfait, izay vao 27 taona monja. Nidiran’ny bala ny lamosiny ary nivoaka tamin’ny kibony. Teo amin’ny lanton-tanany havia kosa no voan’ny bala tamin’ilay zandary iray. Ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy izy » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Tsy lasa ny basin’izy 2 lahy. Ireo mpanara-dia tany aoriana rahateo tonga vetivety.

Tafaverina tamin’ny 6 ora maraina teo, ireo omby 2 nangalarin’ireo dahalo. Tafaporitsaka kosa ireto farany. Nanatevin-daharana teny ifotony ny zandary avy ao Analavory sy Andolofotsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire