Alasora: Hanolotra fanampiana fampianarana ho fanatsarana ny voka-panadinana ny kaominina
Hanome fampianarana (cours préparatoire) maimaim-poana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana BEPC sy bakalorea amin’ity taona 2023 ity ny kaominina Alasora. Ho fanatsarana ny voka-panadinana ao amin’ny ZAP Alasora no hanaovana izany, raha ny voalaza.
« Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanatsarana ny fampianarana eto an-toerana ka hanome cours ho an’ireo mpianatra entina manomana ireo fanadinam-panjakana BEPC sy Bacc amin’ity taona ity » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Misy ny fisoratana anarana atao ety anivon’ny biraon’ny kaominina ao anatin’izany. Hanomboka ny volana febroary ny fampianarana ho an’ny mpanala BEPC amin’izay. Ny volana aprily kosa ny an’ireo hanala ny bakaloera » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Nanomboka omaly alatsinainy moa ny fisoratana anarana amin’ity fampianarana hatolotry ny kaominina ity. Ao amin’ireo varavarana faharoa ao amin’ny biraon’ny kaominina no hanaovana izany. Ho tontosaina isaky ny sabotsy kosa izany fampianarana izany
Manitra Ramanantsoa
