ActualitésTatitra

France : Voaheloka higadra 15 sy 6 taona ireo mpianadahy namono ny zandriny

Raha tsiahivina dia mpianadahy 26 sy 24 taona no namono ny zandriny antsoina hoe Seal-Evan, 9 taona tao Mulhouse, Haut-Rhin. Ny 16 septambra 2018 no niseho io tranga io. Rehefa tsy tao an-trano ny renin’izy ireo dia tsy nety nanao ny enti-modiny i Seal-Evan manoloana izany dia niantso ny reniny ireo zokiny ary nilaza io reniny hoe « hanaro izy ».

Manoloana izany dia nanomboka nidaroka an’i Seal-Evan ireo zokiny. Naharitra ora maro ny fikapohan’izy ireo azy tamin’ny fehikibo sy taho-kifafa, nanomboka ny 6 ora hariva hatramin’ny misasak’alina izany raha ny volazan’ny mpiray tampo tamin’izy ireo ihany, 11 taona. Marihina fa io zazalahy 11 taona io no iray efitra tamin’i Seal-Evan ary nahatsikaritra fa maty ny zandriny manodidina ny 2 maraina teo.

Niantso ny manam-pahefana ilay zoky vavy 24 taona namono azy taorain’izany saingy efa nidaosin’ny fahafatesana i Seal-Evan. Manoloana izany dia nosamborina izy mianadahy ireo. Voaheloka higadra ny herinandro lasa ireto farany, 15 taona an-tranomaizina ny sazin’ny zokin’ny maty lahy, 26 taona ary 6 taona kosa ny sazin’ny zokiny vavy, 24 taona. Voaheloka niray tsikombakomba ihany koa ny renin’izy ireo ka voaheloka higadra 4 taona.

Nandritra ny fitsarana dia nisy ampahan’ny horonantsary nalain’ilay zoky vavy nandritra ny famonoan’izy ireo Seal-Evan nalefa tao amin’ny fitsarana. Re tao anatin’izany ny antsoantson’io zazalahy io nitalaho ny fanampian’Andriamanitra.

Laisser un commentaire