Barea : Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan’ny Malagasy azy ireo
Dépêche 06 février, 11h, Taorian’ny fahazoan’ireo Barea ny laharana fahatelo tamin’io lalao io dia nampiakatra ny ambopon’ny Malagasy izany ka tonga maro izy ireo naneho ny hafaliany nandritra ny fitsenana ireo mahery fon’ny firenena ireo. Voalohany tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny CHAN izao nahazoana vokatra izao ary hipetraka ho tantara mandrakizay izany. Feno hafaliana ny vahoaka Malagasy rehetra ka nankasitraka ireo mpilalao ireto tamin’ny horakora-pifaliana nandritra izany fitsenana azy ireo izany. Raha tsiahivina dia nandresy an’i Alger tamin’ny isa 1 noho 0 izy ireo nandritra ny fiadiana ny toerana fahatelo. Misaotra Barea ary hatrany hatrany dia mirary soa azy ireo hatrany.
