Mitohy hatrany ny hetsika poetawebs karakarain’ny Minisiteran’ny serasera sy kolotsaina.
21 Oktobra, 08h00. Sorapiainan’i Om-guy sy ny tapatapakahitra niarahana tamin’i Mahefa, mpikambana ao amin’ny Faribolana sandratra no nandravahana ny hetsika poetawebs. Hetsika fanao isakin’ny alarobia fahatelo amin’ny volana ao amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy, entina hampahafantarana ny tanora ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky sy ny asa soratra eto Madagasikara.
