Fampandrosoana ny sehatry ny fambolena
22 Aprily, 10h00. Mba hanamorana ireo fampitaovana sy vokatra ho an’ny fambolena izay efa hita ho mihasimba ho an’ny eto an-drenivohitra, . nampahafantatra ny filan-kevitry ny minisitra ny 21 aprily lasa teo fa hisy ny famatsiam-bola 824677 dolara avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena momban’ny fampandrosoana ara-pambolena (FIDA) amin’ny alalan’ny tetik’asa Rural Poor Stimulys Faciulity. Io tetik’asa io izay hanamorana ny tsena ho an’ny vokatra ara-pambolena. Hatsangana araka izzany ny toerana hahafahana manangona ireo vokatra ara-pambolena, ary ireo fikambanana sy koperativa ara-pambolena no hikarakara izany ho an’ireo tantsaha.
