Fandraharahana : Mbola maro ny filàn’ny mpandraharaha Malagasy ankoatra ny vola
Efa miroborobo tokoa ny fandraharahana eto Madagasikara. Manan-karena tanora sy olona manana vina te hanana ny orinasany manokana ny Malagasy izay anisan’ny fototra iray ahafahana mampiakatra ny toe-karena izany. Ankoatra ny vola dia mbola isan-karazany ireo filàna ho an’ny mpandraharaha Malagasy raha te hiditra amin’izany.
« Amin’izao fotoana dia maro ireo tanora te handraharaha fa saingy manana olana ara-bola. Ny fitiavana te handraharaha ihany koa anefa tsy miankina amin’ny vola irery ihany fa voalohany indrindra aloha mila manana hevitra ianao hoe inona no vokatra tianao aparitaka. Manaraka izany ilaina ny mahalala mahakasika ny tsena na ny tsena anatiny izany na ny tsena ivelany ary indrindra mila manana fahalalana mahakasika ny fomba fitantanana. Izany hoe ankoatra ny vola dia mila manana traikefa mahakaika zavatra maro ianao raha te handraharaha satria ilaina sy mifameno avokoa izany rehetra izany », hoy ity mpampiofana ara-tetik’asa iray tamin’ny toro-hevitra izay natolony.
« Amiko manokana aloha raha te hampiroborobo ny fandraharahana eto Madagasikara dia mila manaraka fampiofanana aloha fa tena ilaina izany hahafahana miaina sahady izany tontolo izany. Tsy mionona fotsiny amin’ny fananam-bola fa mila manana traikefa sy « background » mihitsy mialohan’ny hitsofohana amin’izany », hoy i Minah, mpandraharaha amin’ny tontolon’ny lamaody.
Tsy maintsy maro ny filàna rehefa handraharaha. Tsy ny vola irery ihany no olana. Mety misy manam-bola fa manana olana hafa. Ny torohevitra farany ihany koa dia ilaina ny mifanerasera amin’ny mpandraharaha hafa mialohan’ny hirosoana sao efa misy olona manana hevitra mitovy amin’ny an’ny tena hahafahana mampivady izany hevitra izany hamoahana vokatra tsara.
Miora Raharisolo
