27 mars : Ntsay Christian.
Ny 27 martsa 1961 no teraka tao Antsiranana i Ntsay Louis Christian. Tany amin’iny tapany avaratry ny nosy iny hatrany izy no niaina sy nianatra nandritry ny fahazazany. Mpianatra teny amin’ny Anjerimanontolon’Antananarivo kosa ny taona 1982 ka hatramin’ny 1985, avy eo nihazo an’i Marseille nanohy ny fianarany mikasika ny fitantanam-bola sy ny toe-karena tao anatin’ny herintaona. Ny 4 jona 2018, tao anatin’ny fitondran’ny filoha teo aloha, izy no voatendry ho lehiben’ny governemanta Malagasy izay mbola miasa hatramin’izao. Mpanolon-tsaina nasionaly sy iraisam-pirenena tao amin’ny Banky iraisam-pirenena ihany koa izy ary efa mpandrindra ny tetik’asa fiaraha-miasan’ny BIT (Bureau International du Travail) sy ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Dévéloppement).
Ntsay Louis Christian est né le 27 mars 1961 à Antsiranana .Il a étudié dans la partie Nord de l’île durant son enfance. Après avoir obtenu son Baccalauréat, il a étudié à l’Université d’Antananarivo de 1982 à 1985. Il suit ensuite des études financières économiques et bancaires à Marseille. Il est nommé chef du gouvernement malgache le 4 juin 2018, durant la précédente administration. Il était coordonnateur national et international du PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement) en. Il était également consultant national du projet de coopération technique du BIT (Bureau International du Travail).
