SocialTatitra

Zimbabwe : Voarohirohy amina raharaha herisetra ara-nofo, nametra-pialana ny filoha lefitra.

Nametra-pialana tsy ho amin’ny toerana maha filoha lefitr’i Zimbabwe ny tenany intsony i Kembo Mohadi, ny alatsinainy 01 martsa lasa teo. Voarohirohy amina raharaha fanaovana herisetra ara-nofo izy. Haino vaky jery maro no nanaparitaka fifampiresahana olona iray mitondra ny anarana Kembo Mohadi amina vehivavy maro ka manararaotra azy ireo ara-nofo. Mpiara-miasa akaiky aminy ny iray amin’ireo vehivavy ireo raha ny fanambarana. Mandà tanteraka ny fanamelohana azy etsy ankilany ny filoha lefitra Mohadi. « Fiarovako ny fitondrana no antony hametrahako fialàna » hoy i Kembo Mohadi tao amin’ny kaonty Twitter any. Sambany tamin’ny tantaran’ity filoha lefitry ny fanjakana Zimbabwe ity no nisy tranga tahaka izao nahazo azy. Mbola nanamafy hatrany ny tenany fa tsy nanao fihetsika ratsy fa mety misy ambadika izao fanendrikendrehana azy izao. Niantso ny mba hitandremana manoloana ny famoahana vaovao tsy marina amin’ny tambazotran-tserasera arak’izany ny tenany. Betsaka ireo olona efa mahavita mamorona fifaneraserana amina olona roa entina hanakorontanana fotsiny ihany.

Laisser un commentaire