Inde : Iza moa i Anshu Gupta ?
Mpandraharaha avy any Inde i Anshu Gupta, teraka tao Meerut izy. Nanangana orinasany Goonj izy tamin’ny taona 1999. Ratsana tsy miankina mamonjy voina raha sendra loza vohajanahary, manampy ny fiaraha-monina ary manampy amin’ny maha-olona ny Goonj. Mametraka ny akanjo ho filàna fototra ihany koa izy, antony hamolavolan’ny orinasa akanjo.Mpikambana ao amin’ny Ashoka, fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-tsosialy ihany koa izy ary efa nahazo ny « Prix de l’entrepreneur social de l’année » tamin’ny Fondation Schwab pour l’entrepreneuriat social tamin’ny taona 2012, ary ny « prix Ramon Magsaysay » tamin’ny taona 2015.
