ActualitésTatitra

Etats-Unis : Sarotra ny làlana nodiavin’i Oprah Winfrey

Mpanolotra sy mpanentana fandaharana no tena ahafantaran’ny maro an’i Oprah Winfrey. Teraka ny 29 janoary 1954 tao Kosciusko izy. Zanak’olona tsy mpivady izy, mpiasa trano ny reniny ary tsy nahalala ny tena rainy niteraka azy izy, fa i Vernon Winfrey no nanangana azy ho zanany.Nifindra monina ny reniny, ary nipetraka tao amin’ny renibeny tao amin’ny tanàna mahantra izy. Niharan’ny fanolanana nataon’ny havanyizy nanomboka tamin’izy sivy taona. Mbola nahay nefa izy manoloana ireo olona nosedrainy ka nahazo vatsim-pianarana hianatra tao Nicolet High School tao Milwaukee teo amin’ny faha 13 taonany.Niteraka izy teo amin’ny faha 14 taonany saingy tsy velona ny zazakely. Nalefan’ny reniny nipetraka tany amin’ny rainy Vernon Winfrey tao Nashville izy izay nampianatra azy. Nisafidy ny lalam-piofanana tamba-tserasera izy taty aoriana ary namiratra tamin’izany safidiny izany. Anisan’ireo be mpanaraka indrindra ny fandaharany, ary misehatra eo amin’ny fandraharahana ihany koa izy, ka lasa afro-américain mpanan-karena indrindra eran-tany.

Laisser un commentaire