ActualitésTatitra

Nigéria : Lehilahy iray nanao lavanty ny tenany mba hialana amin’ny fahantrana

Nosamborin’ny polisy islamique ao Nigéria i Aliyu Idris, mpanjaitra, 26 ans, rehefa nanao lavanty ny tenany tao Kano. Naparitany ny sariny niaraka tamin’ny soratra fa nanomboka tamin’ny 20 tapitrisa nairas (193 tapitrisa Ar ny vidiny. Efa nanomboka ny tapan’ny volana oktobra teo izy no nivezivezy tao Kano niaraka tamin’ny soratra, raha ny fanazavana. Marihina fa silamo ny ankahamaroan’ny mponina ao an-toerana, ka mihatra amin’ny lalàn’i Nigéria ny « charia » na ny fomba fiainanan’ny silamo.Antony nisamborana azy ny nandika io lalàna io hoy ny mpitondra tenin’ny Hisbah, polisy relijiozy ao an-toerana. Nanazava kosa i Aliyu Idris fa fitsoahana ny fahantrana no antony namarotany ny tenany. « Omeko ny ray aman-dreniko ny antsasan’ny vola ary omeko izay hikarakara ny lavanty ny roa tapitrisa nairas » hoy izy. Nanome toky izy fa ho mpanompo mahatoky ho an’izay hividy azy.

Laisser un commentaire