ActualitésTatitra

Maurice : Firenena faha-63 amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety

Raha ny tatitra navoakan’ny Reporter Sans Frontières nandritra ny andro maneran-tany ho an’ny mpanao gazety ny 3 may teo dia firenena faha-63 amin’ny firenena 180 eran’izao tontolo izao manana fahalalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety ny nosy Maurice. Niakatra laharana iray izy, raha laharana faha-64 ny taona lasa teo.

Isan’ireo firenena afrikanina deraina ho maodely amin’ny demokrasiany i Maurice, ary hita taratra eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery izany raha ny fanazavana. Mbola any alohan’ity nosy ity nefa no misy ny nosy Seychelles izay eo amin’ny laharana faha-34. I Norvège kosa no laharana voalohany ao amin’io filaharana io. Manaraka azy i Irlande, Danemark, Suède, Finlande, Pays-Bas, Lituanie, Estonie, Portugal ary mamarana io lisitry ny 10 voalohany io i Timor oriental.

Eo amin’ny laharana faha-101 kosa no misy an’i Madagasikara, ary i Corée du Nord no manakatona ny lisitra any amin’ny laharana faha-180.

Laisser un commentaire