ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Horavahina lalao baolina kitra ny faran’ny taona

Tsy adino ny mpankafy baolina amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Hisy ny lalao baolina kitra ny zoma 31 desambra ho avy izao ao amin’ny Kianja EPP Ambolo. « Sady lalao no fanatanjahan-tena ny baolina kitra. Tsy mifidy toerana na fotoana ny filalaovana azy » hoy i Andry, mpilalao baolina kitra.

« Tsy maintsy hampifaliana hatrany foana ny mponina mba hisian’ny fampandrosoana. Ny fanatanjahan-tena no lalana iray hampandrosoana ny tanora » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Talata Volonondry. « Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny lalao, izay hanasana antsika rehetra. Afaka misoratra anarana dieny izao ieo izay te hitsara ny lalao sy izay te handray anjara » hoy ireo mpikarakara.

Sehatra mahazo toerana eto Avaradrano tokoa ny baolina kitra. Kilalao ho entina hampandrosoana ny tokoa ihany koa izy ankoatra ny maha fialamboly azy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire