Fandraharahana: Iza no antsoina hoe “Chef de projet”?
Eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, maro ireo dingana na zavatra tsara ho fantatra mahakasika ny sehatry ny fandraharahan ity. Manomboka any amin’ireo teboka mahakasika ny fahombiazan’ny tetik’asa izanyka hatrany amin’ireo mpisehatra rehetra mandrafitra azy, sy ny andraikitra tokony sahaniny mba hahalavorary ny tetik’asa iray.
Ao anatin’izany indrindra, tsara ny mahafantatra mialoha sy mamaritra hoe : Iza no antsoina hoe « Chef de projet » ? na ilay hoe « Mpitarika sa mpitantana » ?
«Ny hoe chef de projet dia ilay mpitarika sady mpitantana tetik’asa iray, izany hoe izy no sady mpitarika no mpitantana ao anatin’ny tetik’asa izay sahaniny. Ao anatin’ny fanatanterahana tetik’asa iray, misy karazan’olona manana andraikitra maro, misy olona mpitarika kokoa ary misy ihany koa ny mpitantana kokoa” hoy I Dina, mpitantana tetik’asa.
«Ny hoe mpitantana izany, manana ny andraikitra izy, mametraka ny fandaharam-potoana amin’ny fomba hentitra mba hisosrohana ny hafenom-potoana be loatra ao anatin’ny tetikasa. Ankoatra izay, manao tatitra tsy tapaka momba ny fandrosoan’ny asa amin’ny ambaratongam-pahefana misy » hoy hatrany ny fanazavana.
«Ny antsoina hoe mpitarika kosa indray ilay mafana fo amin’ny tetik’asa. Mahay mandresy lahatra hahazoana ny fanohanan’ny mpandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa ary indrindra manamora ny fandrosoan’ny mpiara-miasa aminy » hoy hatrany i Dina, mpitantana tetik’asa.
Samy antsoina hoe « Chef de projet » avokoa araka izany na ny mpitantana tetik’asa na ny mpitarika tetik’asa. Samy manana ny anjara andraikiny tandrify azy avy izy ireo, izay tsara hatrany ny manavaka izany, indrindra fa ho an’ireo tanora maniry hisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ity.
Manitra Ramanantsoa
