Ankadikely Ilafy : Mitohy ny asa fanadiovana ny lakan-drano
Mitohy hatrany ny fanadiovana ireo lakan-drano tsentsina manamorona ny lalam-pirenena fahatelo ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Teny amin’ny faritra Andafiavaratra indray no nodiovin’ireo mpiasan’ny kaominina.
« Miezaka hatrany isika anana tanàna madio. Tombony lehibe ho antsika ny lalovan’ny lalam-pirenena fahatelo. Tsara raha mikolokolo hatrany izany fanana iombonana izany isika » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. « Mahafinaritra mihitsy ny ezaka ataon’ny kaominina tahaka izao. Tsara ihany koa raha mba mandray andraikitra isika mponina. Ny tsy fanariantsika fako any anaty tatatra dia efa fandraisana anjara lehibe » hoy i Holy, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tsy mitsahatra ny mampandroso ny tanàna hatrany ny kaominina. Ilaina ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana avy amin’ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
