Mampilamina ny fikarakarana ny fifidianana mialoha.
Zo sy adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandray anjara amin’ny fifidianana misy eto amin’ny firenena. Afaka manatanteraka izany avokoa ny olom-pirenena feno taona sy tsy mbola nisazy. Tokony ho hita ao amin’ny lisi-pifidianana kosa anefa ny anarana manamarina fa mpifidy ara_dalàna ny olona iray. Isan-taona misy ny fotoana afaka hanamarinana ny anarana eny amin’ny fokotany. Azon’ireo vao feno taona ihany koa ny manoratra izany ao anatin’ny lisitra. Afaka manatona eny amin’ny fokotany misy azy araka izany ny rehetra manomboka ny volana desembra ka hatramin’ny faran’ny volana febroary. Ho raisin’ny voamera manokana misahana ny fifidianana avy eo ny lisitra ary manao fanavaozana izy ireo. Averina madiodio eny amin’ny fokotany izany aorian’izay ary manana 20 andro ny tsirairay hanamarinana ny anarany ao anaty lisitra vaovao. Inoana ny hisian’ny fahombiazana rehefa arindra aloha ny lisim-pifidiannana. Ilaina ihany koa ny teknolojia vaovao mba ahazoana antoka fa mangarahara ny fifidianana. Isika izy efa miroso tsikelikely amin’izany ankehitriny.
Fanilo Rarivoarilala
