SocialTsidika

Miisa 50 ireo omby nangalarin’ireto andian-dahalo tao Antranolahatra, kaominina Milenaka

Ny tolakandron’ny alahady 03 oktobra 2021 lasa teo, miisa 50 ireo omby nangalarin’ireto andian-dahalo tao amin’ny kaominina Milenaka, Distrikan’ny Toliara II. Niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana vao nahare ny fihetsika fanairana. Vokatr’izany, tafaverina tamin’ny tompony ihany ireo omby miisa 50 nangalarin’ireto dahalo ireto.Araka ny voalaza, niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ireo miaramila avy ao amin’ny Rezimanta voalohan’ny ZDS Fiherenana sy ny dianbe raha vao nahavoaray fitarainana. Marihana fa sarotra ny raharaha ary efa mpanao azy ireto dahalo ireto ka tena fetsy. Mpiarakandro iray ihany koa no notazomin’izy ireo natao takalon’aina niaraka tamin’ireo omby nangalarina. Kanefa, na dia teo aza izany paik’ady maro be efa nataony izany, avotra soamantsara ilay mpiarakandro ary tafaverina tsy misy nandrombinana ihany koa ireo omby miisa 50. Antony tena nahatontosana izany, ny ezaka nataon’ireto miaramila ireto mba hampandriana fahalemana ny vahoaka sy ny faritra itoerany. »Misaotra be dia be ireto miaramila ireto fa tena manampy sy miaro ny vahoaka tokoa ianareo. Raha tsy nisy anareo efa very tany ny ombinay rehetra, izay mba fananana ivelomanay » hoy i Zoly, anisan’ny tompon’omby nangalarin’ireto dahalo. « Mety ny fandraisana andraikitra ataon’ireo mpitandro filaminana kanefa tsy tokony hiandry ela izy ireo vao handray andraikitra isaky ny misy tranga toy izao. Indraindray mantsy tsy tratra any am-pelatanan’ireo dahalo intsony ny omby fa efa amidiny » hoy kosa i Ranary, olona niharan’ny fangalarana ihany koa. Manamafy hatrany anefa ny eo amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena fa hiezaka arak’izay vitany mba so fiarovana ny firenena sy ny vahoaka monina ao aminy.Tokony sahy hijoro sy heady ho an’ny tanindrazany avoko ny tsirairay, indrindra ireo mpitandro filaminana efa nanao ny fanoloran-tenany. Kanefa, tsapa fa mbola misy hatrany ireo tsy risika amin’ny tolona tokony ho ataony ho an’ny fireneny. Manoloana izany, tokony handray fepetra entitra kokoa ve ny mpitondra fanjakana eo antrehan’izao zava-mitranga izao ? Inona no antony mbola tsy mahafoana ny dahalo any amin’ireny faritra sasany ireny ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire