Nampientanentana ny lalao famaranana
Ny ekipan’Ambohmangakely sy ny ekipan’Alasora no nihaona teny amin’ny Kianja Ambohidratrimo nandritra ny lalao famaranana ny 20 febroary 2022. Ny ekipan’Alasora moa nandresy an’i Talata Volonondry tamin’ny lalao manasa-dalana ; ny ekipan’Ambohimangakely kosa nandresy an’i Sabotsy Namehana.
Teo amin’ny faha 20 minitra nilalaovana no nahazo « coup franc » ny kaominina Alasora. Nodakan’ny mpilalaony, ary tafiditra ny baolina avy eo. I Alasora noho izany no nitarika ny isa voalohany. Teo amin’ny faha 40 ministra kosa no nanao nanasahala ny ekipan’Ambohimangakely, tamin’ny alalan’i Mahefa. Tany anaty harato vao nijanona ny baolina. Samy nahazo isa 1 sy 1 ny mpilalao teo.
Niditra tamin’ny fizaram-potoana faharoa indray. Teo amin’ny faha 65 minitran’ny lalao indray no nahazo « coup franc » ny kaominina Ambohimangakely, ary nahatafiditra baolina i Tovo, izay nisolo toerana an’i Rado. 2 noho ny 1 indray ny salan’isa taorin’izay. Nanomboka nanana fanantenana be amin’izay ny kaominina Ambohimangakely nanomboka teo. Nosoloina indray ny mpiandry vodilaharana iray tao amin’ny ekipan’nyAmbohimangakely 10 minitra tsy hahavitan’ny lalao. Nony nahazo baolina taorian’izay ny mpilalao iray vao nosoloina tao amin’ny ekipan’Ambohimangakely dia nahatafiditra baolina iray indray i Luc, izay nisolo toerana an’i Lozitra. Tafiakatra 3 noho ny 1 ny isa teo. Efa ora fanampiny sisa vao nahazo corner indray i Alasora, ary maty ny baolina.
3 sy 2 ny voka-dalao farany izay nibatan’Ambohimangakely ny amboara.
