Tsiroanomandidy: Nahatratrarana rongony milanja 12 kilao
Fiara fitaterana olona sy entana iray avy any Antananarivo ho any Tsiroanomandidy no voasakan’ny zandary misahana ny fifamoivoizana. Nahitana entana mampiahiahy teny ambony fitoeran’entana; rehefa nosavaina ny tao anatiny dia nahitana rongony milanja 12 Kg.
“Notanana hatao fanadihadiana ny tompon’entana. Nogiazana ny rongony ary ho dorana eo anatrehan’ny manam-pahefana ao aorian’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.” Hoy ny mpitandro filaminana.
“Notazomina ambala fanasaziana mandritra ny 10 andro ilay fiara. Efa nahidina nanaraka fiara hafa ireo mpandeha tao anatiny. Efa mandeha ny fanadiadiana sy ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’ity raharaha ity.” hoy hatrany ny fanazavana.
Mitohy ny fanaraha-maso ataon’ireo mpitandro filaminana.
