ActualitésTsidika

Masindray: Raim-pianakviana novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana

Lehilahy iray no novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany Andita Antsahamaroloha, kaominina Masindray, ny faran’ny herinandro teo. Nanafika tao amin’ny tokatrano io ireo olon-dratsy ka namono ity raim-pianakaviana ity, lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny lelavola efetra hetsy ariary, araka ny voalaza.

“Ny alin’ny zoma teo, niditra an-keriny tao amin’ny toka-trano iray jiolahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Tamin’izay dia nokapain’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny lohan’ilay rangahy ary rehefa nikasa ny hamaly dia notsinromina tamin’ny antsy indray” hoy ny avy amin’ireo manodidina.

“Tena tsy milamina intsony ny tany eto Masindray. Manao ny ataony tanteraka ireo olon-dratsy, ary mitaintain-dava ny mponina na andro na alina. Efa nisy hatrany ny fitarainana sy ny antso avo nalefa tamin’ny tomponandraikitra saingy hatreto tsy mbola hita ny vokany eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana izany” hoy i Seta, mponina ao Masindray.

Noho ny fahaverezan-dra be loatra tamin’ity lehilahy ity anefa dia tsy tana intsony ny ainy. Ao anatin’ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity kosa ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire