Mbola vitsy ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly eto Madagasikara
Mifandraika tanteraka amin’ny toe-draharaha sosialy sy toekarena ny rafi-pampianarana Malagasy. Mbola mijanona ambany ihany koa ny tetibola ho an’ny fanabeazam-pirenena. Manjaka tanteraka eto amitsika ihany koa ny tsy fitovian’ny fomba fanao eo amin’ny isam-paritra. Ny zaza latsaky ny 14 taona anefa no misolo tena ny antsasaky ny mponina eto Madagasikara. Fianakaviana maro no miaina ambanin’ny faritry ny fahantrana, amin’ny salanisa 45% monja amin’ny mponina no mahazo rano fisotro madio. Sahirana ny ray aman-dreny amin’ny famatsiana ara-bola mba hanabeaznaa ny zanany amin’ny ankapobeny. Nandritran’ny taona maro no efa nanaovan’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fampianarana na ny UNESCO fandadihadihana mahakasika ny tonolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Mandritran’ny taona nifanesy, tsikaritr’izy ireo fa ambany ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara. Sokajiana ho anton’izany ny fijanoan’ny ankizy mianatra eo amin’ny ambaratonga voalohany. Ny 57% ny ankizy no mitsaoka an-daharana nohon’ny antony maro. Anisan’izany ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ka voatery tsy maintsy miato amin’ny fampianarana aloha ny ankizy. Eo ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo izay mbola olana goavana any amin’ny faritra maro. Ny fahalaviran’ny toeram-pianarana ihany koa etsy ankilany tsy mampazoto loatra ny ankizy. Ny taona lasa teo vao nahitana fiakarany ny taham-pahaizana mamaky teny sy manoratra nandritra ny fanadihadihana natao. Miisa hatrany amin’ny 81,2% izany ho an’ny tanora 15-24taona. 74,8% kosa izany ho an’ny 25 taona mihaotra; raha toa ka 57,7% kosa izany ho an’ny olona mihaotran’ny 65 taona.
Fanilo Rarivoarilala
