Mila toherina ny asan-dahalo
Anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana indrindra ny any Ambanivohitra lavitra andriana. Miezaka hatrany anefa ny zandarimaria amin’ny fametrahana izany fandriam-pahalemana izany any amin’ireny toerana ireny. Isan’ny valin’ny asa natao tany amin’ny Distrika Antanifotsy manodidina an’Atsapandrano iny ny fahatratrarana ireo andian-jiolahy mpandroba sy mpandrava. Fikambanan-jiolahy mpanao halatra mitam-piadiana no saron’ny zandary tamin’ny 31 Martsa teo tany Ambohitompoina. Naratra mafy vokatry ny fanafihana nataony ny jiolahy iray ary teo natrarana azy. Ity farany no nahazahoana ny loharanom-baovao hahazahoana ny namany hafa rehetra. Ka tratra avokoa ny namany miisa enina izay samy niaiky fa nandroba tokatrano iray tao Antsapandrano. I Tinakely mpitarika ny dahalo izay niditra hôpitaly dia namoy ny ainy noho ny ratra lalina nahazo azy. Afaka miaro tena soa aman-tsara manoloana ny asan-dahalo ny tompon-trano tafihana tahaka ity nahazo an’i Tinakely ity. Tokony hiezaka foana isika hiady amin’ny asan-dahalo mba tsy hahamaro isa azy ireo eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
