SocialTatitra

Maurice : Tratra ilay mpamboly rongony

Nahiana ho mpivarotra rongony (cannabis) ity rangahy iray iray mipetraka any amin’ny « Montagne Blanche ». Ny ekipan’ny « Anti-Drug and Smuggling Unit (ADSU) » no nahazo ny loharanom-baovao tamin’ireo mpividy ny amin’ny mpamatsy azy ireo ary nody niantso ity mpivarotra ity izy ireo hoe hividy rongony any aminy. Omaly 06 Avrily ny fotoanan’izy ireo amin’i Abdool Fakira, 46 taona izay mpamboly ny rongony. Nanafatra rongony ny polisy tamin’ny vidiny Rs 80 000. Tratra avy hatrany ary nosamborina ity mpamatsy rongony ity. Nahitana rongony (cannabis) 274,60 g teny aminy nandritra izany. Nandritra ny fakana am-bavany natao tamin’ny Gafoor Fakira no nanorony ny tany famboleny any Riche-Terre. Namboly 39 fotony izy izay mirefy 90 cm sy 2m 60 eoeo ilay zava-maniry. Nampiakarina fitsarana ny 7 Avrily teo ity raharaha ity.

Laisser un commentaire