Rwanda : Nahariharin’i la Frantsa tamin’ny besinimaro ireo antontan-taratasy manan-danja mikasika ny famonoan’olona faobe tamin’ny 1990-1994
Nahariharin’i Frantsa ampahibemaso, ny alarobia 07 aprily ireo arisiva manan-danja nandritra ny vanim-potoana fandripahana ireo Tutsi niseho tao Rwanda teo anelanelan’ny taona 1990 sy 1994, hoy ny gazety ofisialy ao an-toerana. Mitotaly 800 000 ireo olona maty tao Rwanda tamin’izany fotoana raha araka ny filazan’ny ONU. Efa hita tao amin’ny tatitra Duclert navoakan’ny kaomisiona mpahay tantara ny faran’ny volana martsa ny sasany amin’ireo antontan-taratasy ireo. Isan’izany ny « telegram » diplomatika. Tafiditra tao anatin’ireo antontan-taratasy navoaka ihany koa ny arisivan’ny filoha teo aloha François Mitterrand sy ny an’ny praiminisitra tamin’izany fotoana, Édouard Balladur, 27 taona aty aorian’ny nisehoan’ny fandripahana.
